<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>S. Baring-Gould</author>
<hymn_number>785</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Izahay ankizy
 Te hidera Anao,
 Ry Jeso Mpamonjy !
 Ka henoy izao.

[V2]
 Zanaky ny Avo,
 Jeso Tomponay,
 Faly sady ravo
 Raha hatoninay.

[V3]
 Te hifalifaly
 Izahay izao ;
 Hira mifamaly,
 Tianay hatao.

[V4]
 Te hiravoravo
 Miaraka aminao
 Nefa mavomavo
 Ka antsoy izao.

[V5]
 Te hisoka-bava
 Hankalaza Anao ;
 Hira lalandava
 Satrinay hatao.

[V6]
 Sambatra ny zaza !
 Izay trotroinao ;
 Na kamboty aza,
 Tonga zanakao.</lyrics>
<title>Izahay ankizy te-hidera Anao FFPM785</title>
</song>